4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hadinony ianao - Ricky

Hadinony ianao eh ! (4)

hadinony ianao eh ! (4)

hadinony ianao

fa fitaka ny toky

hadinony ianao

lasa izy fa voky

tsy tazany iano

tena tsy hitany intsony

nataony veloma

niova koa ny fony



hadinony ianao eh ! (4)



tsy tsaroany intsony

nataony veloma

fo hafa no nantsoiny

nanantena ianao

be dia be

tsy nampiverina azy

fa izy te-handeha



hadinony ianao , tsy tadidiny ianao (4)



ianao mipitrapitra

mba mangata-maso

tsy jereny akory

lazainy fa matsatso

izy ery an-kafa

maka tsirony miam miam

ianao analany azy

lazainy lany mamy



hadinony ianao eh ! (4)



tapa-kevitra izy

fa hiova vazo

ianao avelany any

efa ravina malazo

raha sendra mahatsiaro azy

vohay ny fonao

fa misy sombin-tsiky

napetrany ho anao



dia ho tadidiny ianao...

Partager hadinony ianao

Commenter hadinony ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite