4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana mandrakizay - Ricky

Mbola zaza ilay fitiavako dia voafinganao sahady

Ilay fonenana namboariko nanjary fo mangadihady

Nifandimby nifanesy nifanosika ny taona

Lay fitia mora resy kiana maina sady moana



    Dia nofadiako hatreo sy natahorako tokoa

    Ny fanandrana haneho lay fitiavana tao am-poko.

    Nitampify nihafihafy tsy sahy, nangina tsy nahaloa-peo.

    Natahotra fadiranovana, tsy nanana, efa rovitra.



Teny roa toa teny iray, teny vokatry ny fo

No nanome aina indray ilay fitiavana tao am-po



    Efa maro no niantso anao

    Tsy nahalaza ilay "ianao"

    Ianao ilay nahay namelona

    Lay fitiavana tanatiko tao

    Fitiavako no iantsoako anao

    Fitiavana tokana iray

    Ireo no nahalaza ilay anaranao

    Fitiavana mandrakizay

Partager fitiavana mandrakizay

Commenter fitiavana mandrakizay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite