4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eo anilanao eo - Ricky

  Tiako e, hira

  Tiako e, dihy

  Tiako e, antsa anilanao

  Reko mihoatra

  Tafahoatra

  Ny hafanana anilanao



  ’Zah’ hihira

  ’Zah’ handihy

  ’Zah hiantsa anilanao

  Tsara jery

  Tsara joro

  Manonjanonja ny anilanao



       Tena tsara raha miara-dia

       Eo anilako,anilanao iny e!

       Fitiavana feno fanahy

       Hifampizarako amin-dry



  Na oviana n’aiza n’aiza

  Tiako foana ny anilanao

  ’Zah’ tsy hiala,’zah tsy adala

  tsara loatra ny anilanao e!



  Feno hira,feno dihy

  Feno fanahy,ny anilanao

  Tonga hira,tonga dihy

  Tonga tsiky ny anilanao e!



       Zarako aza nahita anao

       Mandimandina tsara ery,io e!

       Fitiavana feno fanahy

       Hifampizarako amin-dry

      

       Zarako aza nahita anao

       Manimanitra,Ay MILELA-MOLOTRA mihitsy ho’ah ’zah’

       Fitiavana feno fanahy

       Hifampizarako amin-dry



       Eo,dia milela-molotra eo

          mifampitsetsetra

          mifandokandoka

       Ianao io an!’Zah ’ty...



       Avelao ’zah mba ho mandimandina ho’ah

       Eo anilanao eo

       Na oviana ho’ah n’aiza n’aiza tiako

       Ny eo anilanao eo

Partager eo anilanao eo

Commenter eo anilanao eo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite