4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ditsoka - Ricky

Ditsokao lasa ny fony ontsaontsa ny fanahy

Toa tafara-dalana teny, tsy mitovy ny ahiahy

Izay rehetra jerena ataony toa mampiahiahy



Naverimberiny eo matetika foana hoe

Ireo ratra napetrakao taminy

Ataony resak’isan’andro mihitsy fa hoe

Ny fonao ho anazy fa tsy nindraminy



Mila odiaina ny fony ho  ataony ody fanina e

Dia hitondray vakana any izy fenoy raha milamina

Fa mila odiaina ny fony f’ianao mody fanina e

Dia hitondray vakana any izy fenoy raha milamina



Tsy mety afaka ao an-tsainy mihitsy intsony anie

Ilay nofy nitambaranareo farany

Manenjika manaloka azy teny foana anie

Ilay fofonao manitra fitiavana e



"Omaly sasakalina dia nisy fo iray, nendahan’olon-tiany teny an-dalamben’ny nofy,

Ny akoran’ny fitiavany dia atao veloma farany eny ambony mpamoronakonaron-javatelony

Tsy misy voninkazo fa tsy maintsy misy fiaretan-tory,

Ka ny fasanao no fasany, indray aleviny aminao,

Na ny ho avy na ny lasany, nefa ity no tadidio,

Ny zavatra efa vita, isasahana mitovy, na ny tsiaro na ny tsiky na bitika io na ditsoka

Na ditra lasa ditsoka"



Ditsoka aho lasa ny fony, ontsaontsa ny fanahiny e

Difotra aho lasa ny fony misaona ny fanahiny e

Tafara-dalana teny fa tsy mitovy ny ahiahy

Zà tsy very amboroa, Zà tsy very fanahy (2)



Very fanahy



Tomany any aho tomany  mba tsy ho difotra ny ampitsoko....



Olombelo Ricky "ODIAINA-2006"



(Ricky-Dina)


Partager ditsoka

Commenter ditsoka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite