4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zanako - Bodo

Niova indray izao ny fiainako

Tsy roa intsony toy ny teo aloha

Fa  niampy iray izay tena efa niriako

Efa ela izy no nofisiko

Efa ela izay no nofisiko

Fa mamy ery fa silaky ny  aina

Kokokoloina fa tena lalaina

Ary handaniako herim-po sy herin-tsaina

Tsy ataoko mampitaraina

Tsy ataoko mampitaraina

Ny ditra kely sy ny tomany

Ny hantahantany ho satriko ihany

Ankalozaiko dia omeko fitia

Hilalaovako an-dry

Ary omeko tambitamby mandrakizay

Avelao ho azy

ny ezaka hatrizay

Fa na mafy aza izany

Ho zakaiko fa ho anay

Zanako, zanako

Sitrapoko avelako avokoa

Fa izay rehetra atao dia ho an’ilay sombinaiko





Mpihira : bodo

Tonony : bodo

Feony : dôsa

Partager zanako

Commenter zanako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite