4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ataoko akory - Bodo

Mandiniha fa toetra ratsy
Aleo milaza fa hoe izaho tsy ho avy
Toy izay mampanantena
Izaho anefa aty mihenahena
Fa raha toa ianao malaina
Avelao aho fa aza adalaina e!
Tsy efako raha ianao tia ahy
Ianao indray no toa mila kisa

Ataoko akory iha raha tsy ahefa
Ny ahy lahy fitia diso fiantefa
Nihevitra aho fa hiaraka amin'ny sarotra e! (Tsy ahefa)
Hay moa ny fitiavanao mifototra e!

Ny fotoana tamin'ny dimy
Raha tsy tonga ianao tsy omena tsiny
Fa raha hitako any an-kafa
Izany kosa angamba hafahafa
Fa raha toa ianao malaina
Avelao aho fa aza adailana
Tsy efako raha ianao tia ahy
Ianao indray no toa mila kisa

Ataoko akory ia raha tsy ahefa
Ny ahy lahy fitia diso fiantefa
Nihevitra aho fa hiaraka amin'ny sarotra e!
Hay moa ny fitiavanao mifototra e!

Partager ataoko akory

Commenter ataoko akory

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite