4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avelao hifaly - Bodo

Fa hafanana hafa indray no tadiavinao

Satria efa maty ilay niaraha-namindro

fo sy fiainana vaovao no ndeha ho potehinao

F’efa rava tsisy intsony ny teo aloha rehetra teo



       Ref:Hainao ny misangy ireny

           Hainao ny manimba fo mandratra

           Fa tsy hainao ny mamela azy ireny

           Ho faly



Ny takaitra avelanao tsy ho voafafa

Ny alahelo anatiko ao no sisa mandatsa ahy

Raha odiana tsy tsaroana,tsy ela akory

Dia miverina indray mamaivay ny afony



       Ref...



Sitrapo niaraha-nanao

Nefa ianao afaka

Ankehitriny aho izao

Mifatotra

Ny hambo-po anatiko ao

Tsy ho hainao fantarina

Tsy ho valifaty

Fa fitiavana

Partager avelao hifaly

Commenter avelao hifaly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite