4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zana-pokonolo - Samoela

Ref:Fa tsy zanak'alika io
         tsy zanak'adala
         fa zana-pokonolo
         Tsy nandalo ankanin-jaza
         tsy nandalo sekoly
         fa tonga dia olo
         Milaza   mahavita tena sy mahavelon-tena
         ary mahagaga mihitsy fa io tsy mitsitsy
         Tsy mahalala abidy tsy mahay mamaky teny
         nefa mahita vola

Tsy mandroba ny ao an-tanana io
tsy mandroba ny akamakama
Fa vahiny mandalo no ataony fahy rano
Ny asa mba tiany izay mba niriny
dia ny hanao mpihira na hanao miaramila
nefa sarotra ihany no hahavitany an'izany
Fa matetika aloha dia mamaky sinoa
Rehefa tsisy karama dia mandroba karana
"any @ leiry any ny kadasitra any Tsaralalana e"
Rehefa hanaja ny baiko io dia toy ny boloky
rehefa manao fetsifetsy dia mahay misoloky
Kelikely mahia fa kay 'rosanaly' 'ty

Ref:

Nisy andro nahory an'io fa tsisy n'inona n'inona
dia nisy nangala-tety
fa hametraka barazy any Barikavily
Niakatra fitsarana io nisy fotoana
Fa navotsotry ny mpanao lalana fa hoe tsy ampy taona
Dia nalefa teny Ambohidratrimo t@ zaza maditra
Fa vao maika nitrifana,vao maika niridana
vao nahazo ekipa
Ilay andian-jatovo lasa andian-jiolahy
kanjo tratran'ny pra
Tsy nandalo Antanimora,tsy nandalo Anosilava fa avy hatrany dia Tsiafahy
Dia nivoaka gazety hatramin'ny internety
fa hiaraha-mahalala fa ity tany tanalana
Dia tsy te hahalala ny izay mihoa-pefy
sy manao ny tsy mety
Nefa anie...

Ref:

Partager zana-pokonolo

Commenter zana-pokonolo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela

Suite