4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia zisitoara - Samoela

Fa ny fitiavako anao iny zisitoara
Na mafaitra sy mangidy tsara fatotra tsara hidy
Fa efa zakanao any lasanao zao no be dia be
Ny fitiavako rehetra ny entana sy ny etsetra

Tamin’ny andro voalohany nahalalako anao, tsy nampoiziko ho toy izao hoe matotra tsara, fa tsy resaka eny amparafara
Tamin’ny andro voalohany nahakoboko andry tsy nampoiziko ho tahaka ity, ianao ilay nikozy hoe “j’ai envie” hay mba nisy fitia

Fa ny fitiavako anao iny zisitoara
Na mafaitra sy mangidy tsara fatotra tsara hidy
Fa efa zakanao any lasanao zao no be dia be
Ny fitiavako rehetra ny entana sy ny etsetra

Taloha zaho nitolona, niroule ohatran’ny boule, fa zao zaho manajanao satria efa tsapako izao, fa ty aho na zovy nikozy aminao hoe “nahakobo aho tary”
Aza mino an’izany
Fa ny anao misongadina hatrany

Fitiavako anao iny e! zisitoara
Ny fo sy ny fanahinao taratara
Ny entana eny aminao tsaratsara e!
(Maty aminao za o!)

Fomba fitsikinao manakara,
Fomba fijerinao mandritsara
Fomba fitafinao vohitsara
(Maty aminao za o!)


Fomba fandihinao tulear!
Basy poletinao sahidomara
Tany fiavianao gasikara e!
(Maty aminao za o!)


Ny fanamasinana azy alitara
Ny fampireveko an’azy farafara
Ny lambam-pandrina ataovy maramara e!
(Maty aminao za o!)

Partager fitia zisitoara

Commenter fitia zisitoara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela

Suite