4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bekon-danitra - Samoela

I eh, Jehovah Ray
Mba tsabotsaboy eh ity taninay
Alana tsikoko ity Gasikara
Ho fotsy botsika tsy maramara
I eh, Jesosy Tompo
Ny fahoriana manjo anay
Mba ho tsipindy fa tsy ho fanoto
Hiserana fa tsy mandrakizay
Masiaka ity vavako ity Jehovah oh!
Fa feno ny foko f'aleo hivoaka
Vavaka indray mandeha tsy miverina
Hodradradradraiko mba hankarenina
Ity fireneko dia tsy hay tenenina
Vahoaka maditra sy be marenina
Milaza manompo Kristy
Nefa mihatsara Velatsihy
Dia mody mivavaka ny noely
Dia mody mivavaka ny andro PaskaNefa tsy foy ny demony kely
Ka misaraka lava dia toy ny fasika
Fantatro ianao fa madio fo
Fantatro ianao fa tsy ratsy loha
Fantatro ianao fa tsy manameloka
Fantatro ianao fa tsy mampijaly
Fohazo finoana mba tsy ho renoka
Omeo fandrosoana ho falifaly
Aza avela higalabona anaty fako
Fa mba ho Washington i Anosizato
Na tsy ho avy intsony aza i Bonke
Na tsy ho hita intsony i Billy Graham
Ny finoana dia ho be dia be
Ny eto an-tanàna hilamindamina
Na tsy hanangom-bahoaka eny Mahamasina
Tsy hamory vahoaka eny Antsahamanitra
Fa samy manompo na miafinafina
Dia mba miara mizotra makany an-danitra.

Partager bekon-danitra

Commenter bekon-danitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela

Suite