4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vao lasa ianao - Rossy

Vao lasa ianao!

Maloka foana teo ny andro

Manjombona, mahasorena.

Nidify koa ny masoandro

Misaona izay rehetra jerena



Vao lasa ianao!

Injay nidona moramora

ny orana avy any atsimo any

Toa naneso sy nanakora

Ity nilaozanao tomany



Ref:

Nitambolina ao avokoa

ny fahatsiarovana rehetra

Niotrik'ela tao am-po

Na ratsy na soa

Indrisy fa nilaozanao

Maizina ho ahy 'zao rehetra izao

Ny ranomaso sisa no mijohy

fa lasa tokoa mantsy ilay tsy fohy



Vao lasa ianao

Niezaka aho hanary dia

Sy hanadino vetivety

Adala anefa hono ireo 'zay tia

Ny tany aminao tsy nety



Vao lasa ianao

Ny foko sy ny saiko koa

Tsy nety nahodina intsony

Fa tany aminao avokoa

Tsy nety hilamina hitony



Ref:

Partager vao lasa ianao

Commenter vao lasa ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rossy

Suite