4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Atolotro anao. - Rossy

Ny vonindraozy soa sy manitra indrindra,

Ny tononkalo izay milanto sy mirindra,

Ny amboaran-kira sy  mozika vaovao,

Atolotro, eny atolotro anao.



Ireo tahiry izay mivaona tao am-poko,

Ny voninkazo, ny fitia izay nokoloiko,

Indro borahiko, otazako eto izao,

Atolotro, eny atolotro anao.



Izay mety ho efan'ireo tànako ankiroa

Na koa ny aiko, eny atolotro avokoa

Ho an'ilay toka-nofinidiko hatrizay

Ilay tokako izay tsy iza fa ianao, ianao, ianao.

Partager atolotro anao.

Commenter atolotro anao.

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rossy

Suite