4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bal kabosy - Rossy

Mitora-jofo nama, bal kabôsy
Ts'isy barofy nama, bal kabôsy
Kilonga mila midansy, bal kabôsy
Baly misy ambiansy, bal kabôsy
Ts'isy slow nama, bal kabôsy
Tsapika avo nama, bal kabôsy
Ts'isy kiantratratratra, bal kabôsy
Samy miala tsy maratra, bal kabôsy
Tsy miandry izay orkestra tsy ho hita,
Kabôsy sy paipaika dia vita
Na misy na tsy misy partinera
Komansy avao ny baly rehefa lera
Dia manovokovoke
Miakatra ny vovoke
Mitapôlapôlake
Mandihy folapôlake
Isika ho any hi-boum(2)
Isika ho any hikôty sipa.
Mahamena volo nama, bal kabôsy
Manetsin'oro nama, bal kabôsy
Tsy dia misy depansy, bal kabôsy
Nefa ao ny ambiansy, bal kabôsy
Ao ny tsy manam-bady nama, bal kabôsy
Ao no mitady nama, bal kabôsy
Ndeha hanjengy ampelasoa, bal kabôsy
Na bandy bôgôsy koa, bal kabôsy

Tsy miandry elektrô na kasety
Kabôsy sy paipaika dia mety
Mangotraka ny baly na dia hoe
Ampela iray, lehilahy be dia be
Dia manovokovoke
Miakatra ny vovoke
Mitapôlapôlake
Mandihy gisa fôlake
Isika ho any hi-boum(2)
Isika ho any hikôty sipa.
Izy io dia jazzy nama, bal kabôsy
Izay mandeha hoazy nama, bal kabôsy
Tsy mila mianatra dansy, bal kabôsy
Dia efa misy ambiansy, bal kabôsy
Jeux de lumières nama, bal kabôsy
Dia la poussières nama, bal kabôsy
Manafo lahy tsy mijery, bal kabôsy
Izay no jenjin'ny sery, bal kabôsy
Tsy miandry izay pile sy courant tsy hanaikitra
Kabôsy sy boîte-na Nestlé da raikitra
Indray andro any ity bal kabôsy ity
Hiakatra an-tsehatra andeha amin'ny boîte de nuit
Be ny hanovokovoka e
Hitapôlapôlaka e
Sy hitako hitapôlaka(2)
hitako hitapô ny sipa.

Partager bal kabosy

Commenter bal kabosy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rossy

Suite