4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Oay reto isika - Rossy

1-Oay reto isika e(2)

fa mifanenjika sy mifandramatra ohatra ny BIBY

oay reto isika e(2)

viravirain’ny demony ratsy mpanao pôlitika

tsy ny hevitra intsony fa tena ny olona izao no miady

mifamono lolo na ray aman-dreny na koa ny mpivady

mpiralahy izao mitsitokotoko tsy mifandray tànana

manafangaro ny resak’antoko ny resam-pihavanana





2-oay ty nareo e(2)

manao sôvaly ireo olo-mahantra sy leo

dia mampanantena ny mana sy Edena

vao tafakatra eo  dia veloma ny teny nomena

nahoana leiretsy hifanaraka ihany ka d’efa nandrasana?

Mirava tanteraka kilao tonto misy maty any am-pasana

niaraka tao ianareo hatrizay toa tsy nisy napoaka

efa ny volo-tratra mihintsy no may dia mampiady vahoaka





3-oay ty zaho e (2)

tsy mba miara-mirevy @ ireo mpanao greve fa miàlaala pà e

oay ity zaho (2)

tsy hoe sanatria tsy te hahalàla fa efa teo no niàla a

izay vitako t@ 72 aza mbola anenenako

raha toa ka diso ny teniko ariana fa aza ny tenako

ny fônksiônera na mitanin’andro aza tsy misy ny olana

na mitokona aza izy mbà misy raisina faran’ny volana





4-ho sambatra isika e hiadana isika a

arahabaina fa tratry ny 3 e repoblika

vavaka tsotra no ndeha ho hiraina

hanatontosa ny zavatra rehetra nampanantenaina

ny savorovoron-kilataona ry manam-panahy

vita ny kaonty mazàva ny kaonty dia basy @ izay

zareo ao ambony  ihany dia efa tsy mihevitra ny hifandray tànana

isika eto ambany no mitady ny very mamitram-pihavanana



isika eto ambany no mitsàbo ny fery mamitram-pihavanana



isika eto ambany no mitady ny very mamitram-pihavànana....






Partager oay reto isika

Commenter oay reto isika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rossy

Suite