4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha ho avy. - Rossy

Raha ho avy akia ny ora-mijojo ka mamonto mandena ny tany

Dia tsarovy fa tomany izay  ny havanao

Tsy mamela fa mangeja toa rojo ny fahatsiarovana  ilay tiana any ho any e,

Fahavaratra ny aty ka manembona anie aho.



Raha ho avy izay andro izay

Dia herezo ny fo sy fanahy,

Fa any andro iray tsy maintsy ho tafaray,

Tsarovy ralala ô,

Fa manembona anie aho.



Raha  ho tonga akia ny hatsiaka mamanala, ny zaridaina lasa babangoana,

Dia tsarovy fa manirery izay ny havanao.

Manjonitra tsy misy mpahalala, mangatsiaka anie aho tsy misy hamindroana,

Fa ririnina ny aty ka manembona anie aho.



Raha ho avy izay andro izay

Dia herezo ny fo sy fanahy,

Fa any andro iray tsy maintsy ho tafaray,

Tsarovy ralala ô,

Fa manembona anie aho.



Raha ho avy kosa ny masoandro baliaka ka  hamelana ireo voninkazo,

Dia tsarovy f'efa hiverina izay ny havanao.

Mifalia akia fa hifankahita, hiara-hikalo hiara-hivazo,

Fa lohataona amin'izay ka hiverina anie aho.



Raha ho avy izay andro izay

Dia herezo ny fo sy fanahy,

Fa any andro iray tsy maintsy ho tafaray,

Tsarovy ralala ô,

Fa manembona anie aho.

Partager raha ho avy.

Commenter raha ho avy.

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rossy

Suite