4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valim-pitia - Bodo

Moa va ianao ilay nandondona teo iny
Tsy novohaiko fa natahotra aho, aza tsiny
Ny andro koa moa efa maizina tamin’iny
Ny orana mijojo, rivotra nifofo
Naleoko tsy namaly

Menamenatra   ery aho ny omalin’iny
Ianao ilay nikopaka ahy, nefa izaho tsy nivily
Rehefa tsinjoko ianao fa nanaraka ahy
Nodiako tsy jerena
Nefa aho manantena
Fa mbola hihaona indray

Ka dia inona ary izato anton’ny dia
Aza misalasala fa avia
Mino aho fa hiandry valin’ny fitia
Matoa ianao velom-pitsikiana

Izaho akory tsy miavona sanatria
Nefa tsy tsipolitra manara-dia
Eto imasonao aho no milaza
Ho doria ny ahy fa tsy fitiavan-jaza

Partager valim-pitia

Commenter valim-pitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite