4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofy lalina - Tovo j'hay

Lay endrikao zay nahasarika ahy
Lay toetranao tsara fanahy
Malefadefaka fijery, maontina fomba sy fiteny

Reny rehetra ireny
No nahatonga ahy hanofy anao
NOFY LALINA, tanaty alina
Izay niainantsika sy ianao

REF: Lay nofy mamy mampanontany
Hoe vita lasitra ato an-tsaiko
Tsy hay vonoina, ho adinoina
Tandindona foana ianao ry aiko

Hira zay noventesintsika roa
Tanaty nofy kanto tokoa
Ny fo niventy azy hono tena feno
Mikalo ity hira tsy faheno

Oroka safosafo
Ho solon-tsakafo
Reo sangisangy sy vazivazy
No tena nampiavaka azy

Fa hadisoako ve ny hiteny hoe
Misy lanja be dia be ny fisianao (2)

Partager nofy lalina

Commenter nofy lalina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite