4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho anjarako - TOVO J'HAY

Efa nodorako izay rehetra rehetra momba anao

Novitriariko ny sary rehetra nisy anao

Fa tsy maty anaty foana 'lay tsiaro

Fa tsy nangina

Fa maro laotra 'reo tantara nifangaro



Efa narendriko tsy hohita 'reo firavaka

'zay rehetra nomenao efa any anaty lavaka

Indrisy anefa miraikitra tsy miala ato anaty

'lay alokao manaraka ahy

Indraindray tsy tanty



Ref:

Dia nihazakazaka aho nijery 'zay mba nisy anao

Nivezivezy tsy nisy hery, nitady no iraho

Nilaza fa dia mbola ianao ihany no tiako

F'ianao no iriko anilako

Dia mbola ianao ihany no ekeko ho anjarako



Ilay toerana faleha niarahana nitafa

Tsy nandalovako intsony, iviliko lalan-kafa

Ny maso anefa mitsimpalotra mangalatra mankany

Fa feno loatra ny alahelo

Ka kotsan' ny tomany



Tsy tiako henoina intsony ireo hira mba fihainontsika

Izaho sy ianao mifamihima rehefa andro mangatsika

Nefa ny tonony sy ny feo tsy afaka andoha

Lasa aretimpo

Nanjary vao mai-nankarary...



Ref:

Nihazakazaka aho nijery 'zay mba nisy anao

Nivezivezy tsy nisy hery, nitady no iraho

Nilaza fa dia mbola ianao ihany no tiako

Ianao no iriko anilako

Mbola ianao ihany no ekeko ho anjarako


Partager ho anjarako

Commenter ho anjarako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TOVO J'HAY

Suite