4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hainao atao - Tovo j'hay

Nomenao hery sahaza izahay
Hamitana izay ho anjara adidinay
Fa naniasia izahay indraindray
Sahy nanao ditra an-tsitrapo
Hany ka very ny talentanay
Hoentinay manjeny ny andro nomenao anay
Nony injay ilaina izahay hanome
Dia tsy hisy hatete

Efa lany tokoa
Izay aleha ringitra
Manam-petra na tena na saina ka
Lavo avokoa
Aza avela hamoy fo fa vonjeo Tompo ô
Fa dia sarotra ka tsy takatra
Fa raha sitrakao dia hainao atao

Izay faniriko indrisy tsy ho to
Efa laniko ny hery nomenao ahy
Te-hiezaka aho hanavao herim-po
Fa tsy ho hita intsony izay aleha
Sisa antenaiko dia hamindranao fo
Toy ny zanaka adala mody amin-dRay
Ka mifona re raiso aho
Atanjaho ilay finoako Anao

Partager hainao atao

Commenter hainao atao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite