4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Te ho lafatra - TOKO TELO

                  TE HO LAFATRA





Tsy tiako raha toa manaiky nefa tsy tia

Fa tsy amin’ny fo, fa fanariana dia

Tonga dia ialao raha toa lalao

No iniana hatao



Matoa isika roa mampitovy fitia

Ny ahy lamban’akoho, izay no fetra akia

Fa ny fahendreko izay nomeko

Ho anao izay nekeko.



     Refrain:

          Ts’isy olona mikatsaka

          Fijaliana na fahoriana

          Fa samy te ho lafatra

          Hiadana akaikin’ny tiana

          Hizorantsika lalan-kely

          Mitondra amin’ny volan-tantely

          Ouh, Ouh, Ouh...



Ny fakam-panahy tsy maintsy misy akia

Nefa aza miahiahy f’io lavitra aty

Ny antsika safidy tsy mba voavidy

Satria tena izy



Matoa isika roa mampitovy fitia

Ny ahy lamban’akoho, izay no fetra akia

Fa ny fahendreko izay nomeko

Ho anao izay nekeko.



     Refrain...

Partager te ho lafatra

Commenter te ho lafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TOKO TELO