4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tanjona - Bodo

Aingao ho hira faneva tokoa
Fa tsara ny mifanao soa
Koloy ny fanahinao hanavao
Fitiavana tsy   mifandao
Aza miherika amin'ny ady ianao
Ny fo tena tia tsy mba lao
Ny mendrika na pempoina aza moa
Dia vao mainka tonga soa
Raiso ny fanilon'ny fitiavana
Avelao ny tarany hampiavana
Tsotra nefa ataovy lalana   hany tokana hizorana ety
Raiso ny fanilon'ny fitiavana
Avelao ny tarany hampiavana
Tsotra nefa ataovy lalana hany tokana hizorana ety


Inona moa zay rehareha
Mandreraka mpandeha
Moa va tsy kalo enti-mandalo
Lany andro mianjona
Fitaka foana ny eboebo
Lokalokan'ny fo maloto
Fomban'ny mpitia siasia
K'aza kendrena ho tanjona
Fidio ny fitiavana
Fa io no mpampihavana
Atao lalan-tokana tsotra nefa iniana izorana
Fidio ny fitiavana
Fa io no mpampihavana
Atao lalan-tokana tsotra nefa iniana izorana

Partager tanjona

Commenter tanjona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite