4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tafa irery - Bodo

Androany hariva sisa no ilay ora niandrasako
Ny teny avy ao am-poko
"Tia azy aho sa tsy tia"
Fa dia tsy voatanisa ilay bitsim-po tsy fantany
Irony ambo-poko no voalazako tery
Hita tamin'izay fa menatra aho angamba
Na azoazon-tahotra hilaza ny ato am-poko
Nafeniko azy indray ilay foko kely jamba
Toro vahobahotra, nijaly, nitoloko

nefa ny hany andrasany
Dia ny fahalalana f'izaho dia tena tia
Fitia tsy misy fitaka
Mino aho fa raha fantany izay ao am-po voatana
Tsy nisy tahaka ity irony foko mba nibitaka
Saingy lasana izy, nivily lalan-kafa
Nandeha namboly indray fitiavana any an-kafa
Izaho mangina irery
Izaho irery no nitafa

Partager tafa irery

Commenter tafa irery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite