4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kristy - Samoela

Ref :

Fa zanaky ny tena henjana Izy e !

Ilay tompon’ity tany ity

Zanaky ny tena Ady klé

Fa nisakra ho antsika aty

Taona 00  tao Jodia

Natsangan’I Zôzefa sy Maria ô!

Raha nana-kara-panondro anie izy e!

Dia misy soratra hoe KRISTY



PRINCIO

Nitolagaga ihany ny tao an-tanàna hoe

Iza ity be volom-bava be ‘ty?

Toa nandalina sady nanontany hoe

Mpanao magie ‘ty  sa  pré-méssie



RAH CKIKY

Nitory teny Izy nanao fahagagana

12 lahy no azony bandy akama e!

Ny tsy pwains aza vitany

Na ny rano aza lasa pi



SAMOELA

Maro ny olana nosedrainy teto

Fa mafy loha Izy be mokony ihany koa

Hahatanteraka ny famonjeny dia

Ny ratsam-batany nofantsihana avokoa

Hafa kely ny Azy ny fomba fijery

Misy sorin-tanana harahiny

Tombon-karavasy, ny olatra sy fery

Ho taratry ny Voninahiny

Oe!



Ref:

Fa zanaky ny tena henjana Izy e !

Ilay tompon’ity tany ity

………………………………….



RAH CKIKY

2000 taona aty aoriana

Mbola indreto isika mihirahira

Mankasitraka ny asany

Mankalaza ny anarany



PRINCIO

Omeo komondro ireo akama sasany

Izay mipirina tsy laitra

Fa mpanam-bola be izay tsy izy

Investissement eglizy



SAMOELA

Fa feno hatreny an-Tanin-katsaka ô

Fa maro be izao ny tafalatsaka (ha!ha!ha!ha!ha!)

Hikatsaka ny Fanjakan’ny Lanitra ô dia

Hamidy mora ny Andriamanitra



TOGETHER

Fa vari-boba, vari-boba ô!!!

Braderie tsisy  ohatr’ity

Manenina izay tsy tonga ôôô

Fa ho avy ao, hono, I Kristy



Ref:

Fa zanaky ny tena henjana I zy e !

Ilay tompon’ity tany ity

…………………………….

KRISTY

KRITSY!  KRISTY ILAY MESIA!

KRITSY!  KRISTY ILAY MESIA!

KRITSY!  MErCI! MERCI!!

Partager kristy

Commenter kristy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela

Suite