4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soly - Samoela

Dinta kely miraikitra anatin'ny loha
Mikiky malefaka ny ati-doha
Mahazaikazaika toa sary bakoly
No nitiavako anao re ry kala Soly
Rahoviana vao ho hitako ianao, ilay manao dance
Na tratrako manao théatre hariva amin'ny Alliance
Kizintina ery raha miasa maraina fa manao stage
Fa hipetraka lava ao anaty biraon'ny Bourdon Voyage

Matimatin'i Soly; potipotik'i Soly
Taratara amin'i Soly aho e
Revirevin'i Soly an!

Hantahanta sy ditra ary koa hakamoana
No mainka hitiavako anao re ry Soly
Fa toy ny sakay tao anaty rora
Nankafiziko ihany na namoaka mony
Rahoviana vao hitako ianao, 'lay mi-Jean manga
Sy Pull fotsy amin'ny tapany ambony ary volo tsy mba mety lava
Fa ho hatolotro anao : tononkalon'i Elie Rajaonarison
Sy ranomasina masirasira ao anaty balaonina aky

Partager soly

Commenter soly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela

Suite