4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Oram-be mivatravatra - Bodo

Oram-be mivatravatra
Kotro-baratra no nalaiko ho namana
Tsy hamofo alahelo an-tanin'olona
Fa nataoko hampatsiahy ilay akany lavitra any

Ny korana sy lalao manakora
Manangoly ny fiharahana
Sento lalina fa manina te-hody
No hasetriko ny tsikiny
Mampanganohano ahy

Na ny mamiratra aza no hanambazana ahy
Tsy nahasarika ahy ireo fa ianao
Ry tany mamiko no nampanembona ahy
Nierikerika aho fa sao tao ianao
An-tsaina sisa no nahitako anao

Tombin-drahona nandalo no nafarako
Nefa ireny mba ho aiza moa ?
Niriako orana mikija tsy hamonto anao
Fa tsy ho anao ry taniko tsy tafita ny hafatro

Partager oram-be mivatravatra

Commenter oram-be mivatravatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite