4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsiaro anao - Njakatiana

Mahatsiaro anao foana aho

Ry ilay tiako lavitra ahy

Ny ato ampoko toa misaona,

Lasa saina mahatsiahy.



   Mahatsiaro anao foana aho

   Ry tsy foiko sy lalaiko

   Mba maniry ny hihaona

   Aminao ry sombinaiko



Fiv: Mba satriko e! ny hitoetra anilanao

      Hamihina anao raha azo atao

      Hankamamy ilay fitia, ilay fitia,

      Tiako mba haharitra doria !



Nefa indrisy nofy izany,

Eritreritro ihany

Ry tsy foiko lavitra any

Mba iantrao ’ty fo tomany



Fiv.



   Indro alefako hiampita

   Amin-kira izay kaloiko

   Mino aho fa ho tafita

   Aminao ny vetsom-poko ...

Partager tsiaro anao

Commenter tsiaro anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite