4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampelako - Mika sy Davis


‘Lay ampela kely
Tsisy tompony iny
Manadaladala saina
Sahirana ny loha
Reraka ny fo, e i e i e
Nefa tiako izy e, tiako izy e
Misisika eo an-tratrako eo, manambitamby ahy (2x)

‘Lay ampela kely
Tsisy tompony iny
Mampitonantonana ahy
Mampidonaka ny loha
Mankararirary fo, e i e i e
Nefa tiako izy e, tiako izy e
Misisika eo an-tratrako eo, manambitamby ahy (2x)

Sahirana ny loha, reraka ny fo
Nefa tiako izy e !

Oay ! ‘Lay sipakeliko iny e !
Mitady hanaraka ahy f’izaho dia tsy sahy, iaeh !
Aleoko ihany izy e, aleoko ô,
Misisika eo an-tratrako eo, ho nofinofiko
Misisika eo an-tratrako eo, mbola ho nofinofiko
Oay ! ‘Lay sipakeliko iny e !
Manome fitiavana ahy f’izaho dia tsy sahy
Aleoko ihany izy e, aleoko ô,
Misisika eo an-tratrako eo, manambitamby ahy….

Partager ampelako

Commenter ampelako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mika sy Davis