4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Siligaoma - LAY

Indry sipa jeojejo io anie ataon'ny bandy siligaoma fotsiny e
Ataony sambo kely taratasy eo indry
Lalaoviny dia lemany fotsiny e!
Ankafiziny ery 'zay ataon-dry:
Tsetsafiny aloha izay mamy amindry
Ataony eo an-tendromolotra avy eo
Abontsiny dia apoakany
Arorany amin'ny tany amin'izay rehefa tena lany tsiro
Hilaozany mitady hafa any ho any izay vao latsaka tomany e
Tena misy anie izany fa ny adin'ny bandy dia 'izany ihany
Tena misy anie izany fa ny fomban'ny bandy d'izany ihany
Indry efa lavo amin'ny tany io anie dia mbola hitsakitsahiny ihany e
Manaraka ny faladihin-kirarony eo ndry fa izy tsy te ahafantatra izany e
Na dia mbola tia azy aza indry
Tsy any intsony izy f'efa leo an'indry
Esoriny indry, indry ilay siligaoma mipetaka amin'ny faladihin-kirarony
Tena resaka anie izany fa tsy mba vazivazy e
Mazava tsara angamba ny filazako azy ka diniho
Mba ampiasao ny saina fa efa tsy mora anie ny miaina o
Mba ampiasao ny saina fa efa tsy mora anie ny miaina o
Indry sipa jeojejo io anie ataon'ny bandy siligaoma fotsiny e (bis)
Ataony sambo kely taratasy eo indry
Lalaoviny dia lemany fotsiny e!
Raha mbola mikiry manaraka any indry dia voaletiky ny ondany o
ooooo
LAY

Partager siligaoma

Commenter siligaoma

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LAY