4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lokaloka - ILAY SITRAKO

LOKALOKA

Tsy hanadino anao aho raha tonga ny harena e,
Tsy hanadino anao aho na be volamena e,
Hatao ahoana e Jeso no fiaina ts’isy Anao
Fa banga ny ao am-po raha lavitra Anao.

Tsy handao Anao aho raha tonga ny tiako,
Tsy handao Anao aho raha to izay niriako,
Hatao ahoana e Jeso no fiaina ts’isy Anao
Fa banga ny ao am-po raha lavitra Anao.
Misy ireo toa hoe manara-dia Anao nefa avy eo dia miala,
Misy ireo mafana eny am-boalohany nefa avy eo dia miala,
Fa ny ahy ny hirahirako, fa ny ahy ny lokalokako
Dia izao ihany, dia izao ihany:
Tsy hanakalo Anao aho rehefa tafita e,
Tsy hanakalo Anao aho na tonga eny ampita e,
Hatao ahoana e Jeso no fiaina ts’isy Anao
Fa banga ny ao am-po raha lavitra Anao.

Tsy hanaratsy Anao aho raha sendra fiafiana e,
Tsy hanaratsy Anao aho na koa tsy fisiana e,
Hatao ahoana e Jeso no fiaina ts’isy Anao
Fa banga ny ao am-po raha lavitra Anao.
Izay no hirako sy lokalokako:
Ny ho eo akaikinao no mahatsara ahy.
ILAY SITRAKO

Partager lokaloka

Commenter lokaloka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ILAY SITRAKO