4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Siligaoma - Lay

Indry sipa jeojejo io anie ataon'ny siligaoma fotsiny e

Indry sipa jefijefy io anie ataon'ny bandy fihinana fotsiny e

Ankafiziny ery izato indry

Tsetsafiny aloha izay mamy amindry

Ataony eo an-tendromolotra avy eo

Abontsiny dia apoakany



Arorany @ tany @zay rehefa tena lany tsiro

Hilaozany mitady hafa any ho any izay vao latsaka tomany

Tena misy anie izany fa ny fomban'ny bandy d'izany ihany

Tena misy anie izany fa ny  revin'ny bandy d'izany ihany



Indry efa lavo @ tany io anie dia mbola hitsakitsahiny ihany

Manaraka ny faladihin-kirarony eo ndry f'izy tsy te ahafantatra izany

Na dia mbola tia azy aza indry

Tsy any intsony izy f'efa leo an'indry

Esoriny indry indry ilay siligaoma mipetaka @ faladihin-kirarony



Tena resaka anie izany fa tsy mba vazivazy

Mazava tsara angamba ny filazako azy ka diniho

Mba ampiasao ny saina fa efa tsy mora anie ny miaina

Mba ampiasao ny saina fa efa tsy mora  

Partager siligaoma

Commenter siligaoma

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lay