4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Potika sy revo - 'Lay

Potika sy revo tamin'indry aho marina mafy
Saingy tsy naborako 'hany 'zany dia naleoko nihafy
Vao nihodina aho 'nefa dia 'njay
Inty ilay tovolahy iray
Nisakambina anao izy tsy mba namana ahiahy
Tsy nitakemotra aho akory fa naka bahana ary dia nitanisa
Teo aho mbola Tsara lahatra
Ny resabe nanpandry andrisa
Narotsakayny teny mirindra
Nampiasaina ny ohabolana fatratra indrindra
Tsy azoko anefa ny fony, tsy voahodina
intsony

Efa nosongonany tokoa aho anie
Fa tamin'izany tsisy todim-pitia
Tsy mba hitanondrika aho satria
Mbola betsaka mantsy iero miandry ahy
Betsaka ny tsara
Tsy hidi-kizo aho rehefa tsy anjara

Raha ny tiana no lazaina dia mazàna mankarary an-doha
Dia nantsoiko indray hamerina ny lasanay 'lay tiako taloha
Saingy ny antsoko efa tara aoriana
Izy mantsy lasan'olona amin'ny fanambadiana
Hanorina fiainam-baovao
Hiezaka ny tsy hampirafy
...tsy tadidy...
Nanaovana ny fitafy mirindra
Narahana fihetsika ary nahavariana
Nitodi-doho indray ry zareo
Ka nilaza nanao hoe

Partager potika sy revo

Commenter potika sy revo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Lay