4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofy - Maraina

Adala ve aho raha mahatsiaro anao indray?
Ny foko manaiky, ny saiko efa lasanao
Te hanoratra ho anao, handahatra ireo teny
Manahy anefa aho soa tsy ho ahy ianao, satria
Mety ho lavinao tsy ho raisinao ilay fo tia
REF:
Tsy sahiko akory ny nilaza
Ilay fitiavako hatrizay, tsy ho voafafa
Na hankarary ahy, ho mandrakizay
Tsy ho lazaiko anao fa aleo ho ahy
Ireo nofiko indraindray nandratra ahy
Tsy mba nanankery tsy sahy ny hiteny hoe "TIAKO IANAO"

Manembona anao aho n'aiza n'aiza misy anao
N'inon'inona atao
Dia mbola ianao
Mahatsiaro sambatra aho rehefa mahatsiaro anao
Toy ny hoe fihininao
Eny antsandrinao
Satriko ho ahy ianao ary izaho ho anao nefa indrisy, manahy aho

REF:
Tsy sahiko.....

A/C: Val RANARISON

Partager nofy

Commenter nofy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Maraina