4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahery ny fitia - Solo

Tsy fanahiniana, ny resin’ny tiana

Fa mahery ny fitia

Ianao mpanakiana, manjary mangina

Fa mahery ny fitia



Ref : Ny tena mahazendana indrindra

      Ianao mpiriaria tsy nifindra

      Tamana tokoa ve ?

      Fiovana lehibe !

      Oh mahery ny fitia



Tsy tarehy sy bika, no niarahantsika

Fa mahery ny fitia

Tsy fatoram-boady

Na gadram-pivady

Fa mahery ny fitia



Ref: Tsy dia hifampibanjina tsy miato

        Fa roa mampiara-dia, te-hilanto

        Hamafa ny lasa, hiara-mikasa

        Fa mahery ny fitia

Partager mahery ny fitia

Commenter mahery ny fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo

Suite