4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hozakaiko - Solo

Hozakaiko, Hozakaiko, izay anjara omenao ahy,

Fa satria ianao no raiko sady tompon’ny fanahy,

Na hanafaka ny aiko izay anjara omenao ahy,

Hozakaiko, vonona aho ho lehilahy.

     Ka ny hazo fijaliana

     Holanjaina noho ianao

     Irony kapoka ihafiana

     Raha izay no sitrakao

Nilaozan’olontiana, ny hamoy harena be

Mbola azoko ihafiana, raha ianao no manome

     Faizinao aho mba ho hendry

     Ka tsy hanadino anao

     Andriamanitra o, mpanendry

     Izao fiainako eto izao

Enga anie ny hadalako mba tsy hotsarovanao

Izay no hery hahazakako fahoriana toa izao...



(feonkira)



Hozakaiko hozakaiko

Vonona aho ho lehilahy.

Partager hozakaiko

Commenter hozakaiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo

Suite