4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Gasikara - Telofangady





Efa ho folo taona no nandaozako anao re ry taniko

Taona maro tsy nijereko tsy niheverako afa-tsy ny amiko

Ka mirongatra tao anaty ny alahelo

Ka mila tsy ho tantiko

GASIKARA malala tany tsy manam-paharoa



  Tsy azo eritreretina ny lanjan’ny hery ao anatinao

  Tany mamy tsy mety hadino sy tsy foy na dia lavitra aza   ianao

  Ilay Ray izay ao ambony be fitia no hitsinjo ny lalanao

  Hampiray sy hampitambatra antsika izy



      GASIKARA O ! GASIKARAKO

      Tany nihaviako ianao ka tsy maintsy tiaviko

      Na lavitra aza anefa ny elanelan’ny any sy ny aty

      Antenaiko fa mbola hihaona ihany isika e !



Ianao dia tany tiako

Tena tiako ka tsy hatakaloko

Harenako sarobidy ary ahitako ireo havako

Ianao no nipoirako ary hilevenako ihany koa

GASIKARA malala tany tsy manampaharoa



   Tsy azo eritreretina....



      GASIKARA O !....

Partager gasikara

Commenter gasikara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Telofangady