4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mivalo - Telofangady

Ry nahitako masoandro hifonako ny ditrako e

E e e, mbola be ireo adidy tsy vitako a !

Ry nahitako masoandro hifonako ny ditrako e

E e e, mbola be ireo adidy tsy vitako a !



Fa verivery foana tamin’ny filibana mantsy ny fotoanako

Izany mantsy no neveriko ho ambony tamin’ny fiainako



Kanjo tratry ny aloka anie aho

Fa nifidy lalam-baovao

Izay noheveriko mba ho tsara

Kanjo naha kizo fara



Aiza ve ka ny fisotroana o

aiza ve ka ny filokana

indrindra fa ny fijangajangana

no notompoina e !

Aiza ve ka ny fisotroana o

aiza ve ka ny filokana

indrindra fa ny fijangajangana

no notompoina e !



Na ny fahazazana

Na ny hatanorana e

Tena nisy fahabangana

Lany tamin’ny hadalana



Izay mantsy vao tsaroako ilay fitenin-drazana  manao hoe :

"O ry zalahy ireto a !

Raha tanora ratsy fihary anie

Antitra vao ratsy laoka e"



Tsy hanao intsony re aho

Avelaonareo re aho

Ho tsindrio fa lavo ve aho

Fa mifona mivalo re fa diso

Avelaonareo anie aho

Efa niova hevitra anie aho

Fa ho reharehanareo

Ry Ikaky sy Ineny

Avelaonareo anie aho

Efa niova hevitra anie aho

Fa ho reharehanareo

Ry Ikaky sy Ineny

Partager mivalo

Commenter mivalo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Telofangady