4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iarivoko - Telofangady

Iarivoko



Any tokoa mantsy anie izy izay

Ilay vohitra tiako, ’lay any aminay

Mahatsiaro toa very aho ka dia velon-tsento e

O ry vorona irony ! koa ty aho e mba ento



Ny volon’andro efa miha malomaloka

Ny tana masoandro aza mila tsy ho tazana

Niondrika mora aho ka dia niala satroka

Tena miaky mihitsy aho, olona sarakavana



Ianao mantsy ry voron’iny,

ianao no hinoako fa ho afaka

Avia re raha toa tsy ho tsiny,

hiangaviako hitondra ity hafatra

Fa manina loatra aho izany !

ka toy ny adala mikiaka ny hoe :

Ry Iarivon’Imerina o ! Ry Iarivon’Imerina !

Ry Iarivon’Imerina o ! Zaho anie mbola hiverina a



Toa tapa-porohona anivon-drano

Mitady izay tanjona mba hitodiana

Ny maso mijery no manganohano

Manembona mafy an’ilay niaviana



Ny tena tsy laitra dia ilay fahatsiarovana

Toa aloka tsy maty ka mahatorovana

Tsy miova f’izao ihany re no mba teniko

Endrika ravoravo no mbola hiverenako



Mba satriko lahy ny honina eto,

raha ny misy ahy izao no heverina

Tiako kanefa tsy haiko,

fa ny embona anao re r’Imerina

Eny ry Iarivo veloma ihany,

raha mbola tsy maty voatoto-tany,

Ry Iarivon’Imerina o ! Ry Iarivon’Imerina !

Ry Iarivon’Imerina o ! Zaho anie mbola hiverina a



Ry Iarivon’Imerina o ! Zaho anie mbola hiverina a

Partager iarivoko

Commenter iarivoko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Telofangady