4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Farafaharatsiny - Telofangady

Farafaharatsiny



Mitory fitia kanefa tsy sahy

Te hividy ny lohany ianao ka

Kanefa matahotra ny masony

Tsy hitako intsony ny atao anao

Mba farafaharatsiny angamba hoy aho mihira fitia



Ny vazon’ny manina mantsy raha tiana hampitaina

Kaloina hanako izy ireny hipaka any an-tsaina

Ny angolam-pitia sy ny rima no ataovy mirindra tsara

Fa raha ireny no tafita mba farafaharatsiny



Raha toa te tia aza mihemotra intsony

Hampio fahasahiana kely fotsiny

Dia hioty ny vokany ianao tsy ho ela

Dradradradrao mba ho reny tsara

Fa farafaharatsiny fantany fa ho azy ilay hira



Ny vazon’ny manina mantsy raha tiana hampitaina

Kaloina hanako izy ireny hipaka any an-tsaina

Ny angolam-pitia sy ny rima no ataovy mirindra tsara

Fa raha ireny no tafita mba farafaharatsiny

Partager farafaharatsiny

Commenter farafaharatsiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Telofangady