4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy adino - Fisïna

Hira sy kalo sisa
No ahatsiarovako ireo androntsika
Mamisavisa izay niseho aho

Mbola hira ihany no hamafako
ilay fitiavako
Izay nibahana tato amiko

Moramora izany ho anao
Kanefa ny ato am-poko kosa tsy ho fantatrao

Atao ahoana ny hanadino anao
Tsy hay fafana ny fitiavako anao

Ekeko fa zava-tsarotra izany
Ary koa manahiran-tsaina
Ianao no efa tiako hatrizay ka hatrizao
Kanefa moa tsy sitrakao aho

Moramora izany ho anao
Kanefa ny ato am-poko kosa tsy ho fantatrao

Atao ahoana ny hanadino anao
Tsy hay fafana ny fitiavako anao

Tsy hisy ahasolo anao
Amin'ny fiainako
Ianao no tena andry
itokian'ny fitiavako
Fitiavako





Partager tsy adino

Commenter tsy adino

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fisïna