4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anivonao - Fisïna

Anilanao no nahazatra ahy
Nahafantarako izany hoe fitia
Fa foinao ho ahy avokoa
Ny fiainanao tsisy tambiny

Toa very maina ihany
Izay niarahana hatrizay
Raha toy izao no niafarany
Toa potipotika ireo androm-pifaliana
Sy ireo andro nihafiana

Anivonao no nifaliana
Nitsikiana
Nizarana alahelo
Sy ireo hafaliana

Fa tsy nahatsapa izany
Ity adalanao
Ka namela anao
Anivon'ny tontolo

Toa very maina
Izay niarahana hatrizay
Raha toy izao no niafarany
Toa potipotika ireo androm-pifaliana
Sy ireo andro nihafiana

Partager anivonao

Commenter anivonao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fisïna