4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy adino - FISINA

Hira sy kalo sisa ahatsiarovako ireo androntsika

mamisavisa izay miseho aho

mbola hira ihany no hamafako ilay fitiavako

izay mibahana ato am-poko



Moramora izany ho anao

nefa ny ato am-poko kosa tsy ho fantatrao

Atao ahoana no hanadino anao

Tsy hay fafana ny fitiavako anao



Ekeko anefa fa zava-tsarotra izany

ary koa manahiran-tsaina

Ianao no mbola tiako hatrizay ka hatrizao

nefa moa tsy sitrakao aho



Moramora izany ho anao

nefa ny ato am-poko kosa tsy ho fantatrao

Atao ahoana no hanadino anao

Tsy hay fafana ny fitiavako anao



Tsy misy hahasolo anao amin’ny fiainako

Ianao no tena andry itokian’ny fitiavako, fitiavako


Partager tsy adino

Commenter tsy adino

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FISINA