4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avia fa ho hitanareo - Ny salohy

AVIA FA HO HITANAREO



1) Moa mba fantatrao ve ny fitiavan’Andriamanitra

   Dia ny nitiavany izao tontolo izao

   Ny nanomezany ny Zanany Lahitokana

   Mba tsy ho very izay mandray Azy



Avia, avia, avia, fa ho hitanareo

Ny voninahitr’Andriamanitra

’Zay hanehoany ilay fitiavany

Sy ny namonjeny izao tontolo izao



2) Toa sahirana ery ianao eto amin’izao fiainana izao

   Tena kivy tokoa, efa mila hamoy fo

   Moa mba fantatrao ve hoe inona no anton’izao

   Moa tsy ny fahotanao ihany ?



Koa avia, avia, avia, fa ho hitanareo

Ny fahasoavan’Andriamanitra

Fa raha ny Zanaka no hanafaka anao

Dia tena ho afaka tokoa ianao.



3) Fa andriamanitra maneho ny famindram-pony aminao

   Ka miantso anao hanatona Azy izao

   Satria sarobidy Aminy sady tsy foiny ianao

   Izany no mbola hiantsoany anao hoe :



Avia, avia, avia, fa ho fitanareo (1)

Koa avia, avia, avia, fa hohitanareo (2)



RABARIJAONA

Andrianaina Robdera

Partager avia fa ho hitanareo

Commenter avia fa ho hitanareo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite