4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manirery - Jérôme Randria

Tao anaty fahanginana

no nihirako anao

ireo hirahira

sy ireo kalokalo tsara indrindra

tao anaty fahanginana

no nahatsapako

ny afon’ny fitiavako

tia anao

mirehitra tsy mety maty ato am-poko

ho anao

Toy ny sambo kely an-dranomasina mangeniheny

tsy matahotr’onja na manahy sao dia ho very eny

manantena ihany ny ho tody hatrany

hahita ny seranana

toy izany ny vetsovetso-poko singany ety

ho anao


ka na manirery aza aho

ry sombinaiko

tsy miova akory ny fitia

izay nolalaiko

na ho haingana na ho ela izany

eny tia anao

eny tia ka....

Raha toa manembona ianao

Na mahatsiarotsiaro

Ireo dinantsika

Ireo fitia

Ireo tsiambaratelo maro

dia izany no vao maika hamelona hatrany

ny afon'ny fitiavako

tianao

mirehitra tsy mety maty ao am-po

ho anao...

ho anao

Partager manirery

Commenter manirery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jérôme Randria