4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feom-baliham-pararano - Jérome Randria

Raha lazaina aloha
Afa ihany koa
Ilay sabotsy hariva izay
Tao an-trano
Izao irery moa
Sorena be tokoa
Varimbarin'alahelo
Toy ny mamo
Teo am-parafara
Teo ny vahiny
Sarinao, penina sy taratasy
Te hanoratrao te hihira koa
Nifangaro anefa ireo tao am-po

Tsy tsaroako akory
Renoka aho natory
Nanonofy toa nahita anao hatrany
Nifoha avy eo
Hay nisy teo
vetsovetso mba voasoratro ihany
Teny an-kiroa efa fantatrao
Nosoratako tamin'ny sarinao
Teny kely ihany
Kely nefa mamy
Nifono hasambarana tsy lany
Teny tena mamy
Toy ny loharano
Niritsoka fitia manganohano
toa FEOM-BALIHAM-PARARANO!

Partager feom-baliham-pararano

Commenter feom-baliham-pararano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jérome Randria