4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fotsiny - Bodo

FOTSINY



Tiako fotsiny ianao

Tsy asiana hoe "nahoana"

Na tovonana "satria"

Fa tiako fotsiny amin’izao

Tiako fotsiny ianao

Tsy asiana hoe "nahoana"

Tsy amerana fotoana

Tiako fotsiny doria.



Tsy ny teny izay tononina

No hahafeno fitia

Tsy ny toky izay foronina

Mora rava sy malia,

Mora rava sy malia

Fa ny fo tsy manam-peo.





Ny "satria" sy ny "nahoana"

Mety ho takatry ny saina ?

Tetika ikendrena laka…

Haingon-teny babangoana,

Ny "satria" sy ny "nahoana"

Mety ho takatry ny saina ?

Rindram-bola very maina,

Ravina tsy misy faka



Tsy ny teny izay tononina

No hahafeno fitia

Tsy ny toky izay foronina

Mora rava sy malia,

Mora rava sy malia

Fa ny fo tsy manam-peo.



Tsy ny teny izay tononina

No hahafeno fitia

Tsy ny toky izay foronina

Mora rava sy malia,

Mora rava sy malia

Fa ny fo tsy manam-peo.



Tiako fotsiny ianao .....





Mpihira: Bodo

Tonony: Rado

Feony: Rolly

Partager fotsiny

Commenter fotsiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite