4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanekam-pinoana - Solo



Nahoana ny maso no tsy hanganohano

Raha sendra alon-drano

Nahoana ny saina no tsy ho valalanina

Raha sangodim-panina

Mahery mahamay no hitsapana anay

Ry Tompo Rainay



   Nahoana no nahoana no tsy ho torovana

   Raha sendra fahatsiarovana

   Nahona no nahoana no tsy ho adaladala

   Raha zanaka malala

   Tiana sy lalaina no indro re nalaina

   Mbola vao maraina



Kanefa Raiko ô!

Izato hirako izay asandratro izao

Tsy sanatria tsy hatotry

Ho faniriko Anao



   Fa maika hanolorako indray aminao

   Ilay manda vaovao

   Ny herin\\’ny finoako

   Tsy mbola miova loko

   Satria mino aho fa ilay velomanay

   Dia mandram-pihaona ihany

   Satria mino aho fa ilay velomanay

   Tsy ho mandrakizay



                        Mpihira : Solo - Tonony sy feony : Haingo

Partager fanekam-pinoana

Commenter fanekam-pinoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo

Suite