4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Embona - Bodo

Toa ny vorona niara-niriaria
Teny an-dohasaha izahay
Ny rivotra nifofo ny orana nikija
Niaraha-nisetra avokoa

Mahita anao aho ankehitriny
Dia toa adinoko ireny
Variana tamin'ireo tambitamby
Ny ahy fitia tsy antenaina

Ref:
       Fa na dia satriko aza
       Ny hitafa aminao eto ihany
       Avelao aho hamonjy ilay namako any ho any
       Fa manembona aho izany
       Mahatsiaro ny fahazazana nivalona fahiny
       Hany ka mila ho tomany

Fony izahay niara-nilalao
Na ny soa na ny ratsy
Niarahanay natao
Nisy ireo hafaliana
Sy ranomaso indraindray

Fotoana maro teto anilanao
Toa haravoana lalandava
Nanafina alahelo hakiviana
Nahatonga ahy toa hanjombon-dava

Partager embona

Commenter embona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite