4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa mirefarefa - Ramboatiana Etienne

         Fiv:

Efa mirefarefa sy tsy ho tana ny hazavàna

ventso ihany sisa no voatanisa fa tsy tamàna

tsaroako indray e

Ny any aminay



Ireo vorona mody he misodisody

mikopaka eny

ampombaiko veloma fa tsy hay antsoina

i kaky sy neny



Toa hitako sary eto anoloana

mijinja vary eny am-pamoloana

ny nanovo rano miloloha siny

mitantara angano toy ny fahiny



Manako moramora toa manakora ny rian-drano

ny nofy eny manga ny maso foana manganohano

singany irery ts’isy mpijery



erika mifafifafy ny onja mihamafy

manao patrakala

sarin’ny foko ao anaty toa tsy mahatanty

fa lavi-mahalala

La la la ...

Partager efa mirefarefa

Commenter efa mirefarefa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ramboatiana Etienne