4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy maintsy mandeha - Ramboatiana Etienne

Fiverenana:



Kanefa tsy maintsy mandeha na tiana na tsy tiana

Na ho fifaliana o, na ho fahoriana e e e

Lalana tsy maintsy izorana

Ny manaiky ihany no atao



Maneno lakolosy fidirana an-tsekoly

Vita hatreo vakansy fialamboly

Hitako kivy izato zandriko izany

Mifendrofendro mitomany



Mpiasam-panjakana voatendry handeha

Amin’ny toerana lavitra be

Manjoretra kivy ny namako izany

Jereo fa malahelo mafy ery



Tanora roa no mihevitra fa hoe tsara

Manandrana mihinana voankazo voarara

Tsy nampoiziny fa nataony vazivazy

Ilay boay mitady handà ny mariazy



Ny zavatra eto an-tany dia misy fetra

Torak’izany ny olona rehetra

Samy mbola te-ho velona hatrany

Malahelo ny handao ny tany

Partager tsy maintsy mandeha

Commenter tsy maintsy mandeha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ramboatiana Etienne