4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satriko - Bodo

Satriko tsy hilentika iny masoandro iny
Fa sompatra ny alina
Satriko ho mavana irony ahi-maitso
Fa tonga ny ririnina
Satriko tsy ho levona ny afo nanafana
Fa lasana lavenona
Satriko ny hisaraka ny tana- mifandray
Fasendra tadio sy orana maventy
Tora- defona mafonja
Ka nilofika tsy fidiny
Tsy iriko, tsy iriko ny handratra
Fanahy ankiroa mifangoa
Fa tendrin'ny ao ambony
Izay no fiononako
Sy vali-tonom-bavako
Raha ho lasa ianao anefa ny foko mitahiry
Ilay nofy mamy teo
Fa izay no sisa heriko
Ahafahako milanja ilay alahelom-poko

Partager satriko

Commenter satriko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite